FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 31:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Tamin’ny farany, dia hoy i Jehovah tamin’i Jakoba: “Miverena any amin’ny tanin’ny razanao sy any amin’ny havanao.+ Ary homba anao foana aho.”+

  • Nomery 23:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Tsy mba olona Andriamanitra ka handainga,+

      Na zanak’olombelona ka hanenina.+

      Efa nilaza ve izy ka tsy hanatanteraka,

      Ary efa niteny ka tsy hanefa?+

  • Josoa 23:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 “Efa handeha amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra aho izao.+ Ary fantatrareo tsara amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo, fa tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny fampanantenana rehetra nolazain’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. Efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra. Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza.+

  • Hebreo 6:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Amin’izay dia mba ho zavatra roa tsy mety miova sady tsy hain’Andriamanitra andaingana+ no ahazoantsika fampirisihana mafy mba hifikitra amin’ny fanantenana+ napetraka teo anoloantsika, dia isika izay nandositra ho amin’ny fialofana.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara