FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 9:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Raha ny marina anefa, dia izao no mbola namelako anao ho velona:+ Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.+

  • Eksodosy 15:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Iza amin’ireo andriamanitra no tahaka anao, Jehovah ô?+

      Iza no tahaka anao izay fara tampony amin’ny fahamasinana,+

      Eny, Ilay tokony hatahorana+ ka hanaovana hira fiderana,+ eny, Ilay manao zava-mahagaga maro?+

  • Eksodosy 18:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Fantatro izao fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra i Jehovah,+ rehefa jerena ny nanjo ny Ejipsianina izay nanao tsinontsinona ny Israelita.”

  • Josoa 2:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Renay mantsy ny fomba nandritan’i Jehovah ny ranon’ny Ranomasina Mena teo anoloanareo, rehefa nivoaka avy tany Ejipta ianareo.+ Renay koa ny nanaovanareo ny mpanjaka roan’ny Amorita teny ampitan’i Jordana, dia i Sihona+ sy Oga,+ izay naringanareo tanteraka.+

  • Nehemia 9:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Nosarahinao+ teo anatrehany ny ranomasina, ka nandia tany maina teo afovoany izy ireo.+ Fa ny mpanenjika azy kosa natsipinao mafy tao amin’ny lalina,+ toy ny vato+ natsipy tao anaty rano mahery.+

  • Isaia 2:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Haetry ny fiandranandran’ny mason’ny olona, ary ho lasa ambany ny olona ambony.+ Fa i Jehovah irery ihany no hasandratra amin’izany andro izany.+

  • Romanina 9:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Fa hoy ny Soratra Masina momba an’i Farao: “Noho izao indrindra no mbola namelako anao ho velona: Mba ho amin’ny alalanao no hampisehoako ny heriko, ary mba hambara eran-tany ny anarako.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara