7 Ary halaiko ho oloko tokoa ianareo,+ ka ho Andriamanitrareo aho.+ Ary ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay mamoaka anareo ho afaka amin’ny enta-mavesatra ampitondrain’i Ejipta anareo.+
14 Mandehandeha ao an-tobinao mantsy i Jehovah Andriamanitrao, mba hanafaka anao+ sy hanolotra ny fahavalonao eo an-tananao.+ Koa aoka ho masina+ ny tobinao mba tsy hahita zavatra manafintohina eo aminao izy, ka hiala ary tsy hiaraka aminao intsony.+
16 Ary inona no ifanarahan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy?+ Fa tempolin’ilay+ Andriamanitra velona isika, araka ny voalazan’Andriamanitra hoe: “Honina eo amin’izy ireo aho+ sady ho eo aminy, dia ho Andriamaniny aho, ary izy ho oloko.”+