31 Fa Andriamanitra mamindra fo i Jehovah Andriamanitrao,+ ka tsy hahafoy anao na handringana anao na hanadino ny fifanekena+ nianianany tamin’ny razanao.
23 Tsara fanahy tamin’izy ireo+ sy niantra+ azy anefa i Jehovah ka nitsinjo azy, noho ny fifanekena nataony+ tamin’i Abrahama+ sy Isaka+ ary Jakoba.+ Tsy tiany ho ringana izy ireo,+ ka tsy nariany tanteraka tsy ho eo anatrehany hatramin’izao.
2 Tsy nolavin’Andriamanitra ny vahoakany, izay nekeny voalohany indrindra.+ Fa tsy fantatrareo angaha izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina ny amin’i Elia, rehefa niangavy an’Andriamanitra hamely ny Israely izy?+