FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Samoela 7:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Tsy hihozongozona eo anatrehanao mandritra ny fotoana tsy voafetra ny taranakao sy ny fanjakanao. Ary ho mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandriananao.”’”+

  • Isaia 9:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Tsy hanam-pahataperana izany fahefana lehibe ananany izany+ ary tsy hisy farany koa ny fiadanana,+ eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida+ sy ny fanjakany. Ho mafy orina izy io,+ ary ny rariny+ sy ny hitsiny+ no hampitoetra azy, manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra. Ny hafanam-pon’i Jehovah Tompon’ny tafika no hanatanteraka izany.+

  • Isaia 14:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Fa hoy ianao anakampo: ‘Any an-danitra no hiakarako.+ Ambonin’ny kintan’Andriamanitra+ no hanandratako ny seza fiandrianako,+ ary hipetraka eny amin’ny tendrombohitra fivoriana+ aho, any amin’ny farany avaratra.+

  • Jeremia 23:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Ho avy ny andro”, hoy i Jehovah, “izay hampipoirako tsimoka marina ho an’i Davida.+ Hisy mpanjaka hitondra+ eo amin’ilay tany. Ho malina izy io ary hanao ny rariny sy ny hitsiny.+

  • Ezekiela 21:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Horavako, horavako, horavako izany,+ ary izany koa aza dia tsy ho lasan’iza na iza, mandra-pahatongan’ilay manan-jo ara-dalàna hahazo izany.+ Dia homeko azy izany.’+

  • 2 Petera 1:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Koa manana ny teny faminaniana+ isika, ary natao azo antoka kokoa+ izy io. Tsara àry ny ataonareo raha mandinika azy io ianareo, toy ny fandinika jiro+ mamirapiratra ao amin’ny toerana maizina, izany hoe ao am-ponareo, mandra-pahazavan’ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro.+

  • Apokalypsy 22:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 “‘Izaho Jesosy dia naniraka ny anjeliko hitory aminareo izany zavatra izany ho an’ny fiangonana. Izaho no faka+ sy taranak’i+ Davida, sy ilay kintan’ny maraina+ mamirapiratra.’”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara