FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ezra 1:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Koa na iza na iza manompo azy aminareo, dia homba azy anie ny Andriamaniny!+ Koa aoka izy hiakatra ho any Jerosalema, any Joda, ka hanorina indray ny trano tany Jerosalema,+ dia ny tranon’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, ilay tena Andriamanitra.+

  • Salamo 147:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Manorina an’i Jerosalema i Jehovah.+

      Angoniny ireo Israelita miparitaka.+

  • Isaia 56:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ary hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, izay manangona an’ireo Israelita efa niparitaka:+ “Ankoatra izay efa voangona, dia hanangona olon-kafa ho eo amin’izy ireo koa aho.”+

  • Jeremia 32:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 ‘Hangoniko avy any amin’ny tany rehetra nanaparitahako azy izy ireo. Tezitra sy vinitra ary nisafoaka+ tokoa aho rehefa nanaparitaka azy. Hampodiko eto amin’ity toerana ity ihany anefa izy ireo, ka hataoko monina tsy manana ahiahy.+

  • Ezekiela 34:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Havoakako avy any amin’ireo firenena izy ireo,+ ary hangoniko avy any amin’ny tany samy hafa ka hoentiko ao amin’ny taniny.+ Hiandry an’ireo ondriko ireo eny amin’ny tendrombohitr’i Israely aho, sy eny amoron-drano, ary eny amin’izay rehetra azo onenana ao amin’ilay tany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara