24 Fa horoahiko tsy ho eo anatrehanao ireo firenena,+ ary hataoko midadasika ny faritra misy anao.+ Ary tsy hisy olona hitsiriritra ny taninao, rehefa miakatra mba hahita ny tavan’i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-taona ianao.+
24 Ho lasanareo ny toerana rehetra hodiavin’ny tongotrareo.+ Ary ny sisin-taninareo dia hanomboka any an-tany efitra ka hatrany Libanona, ary hanomboka any amin’ny Renirano, izany hoe ny reniranon’i Eofrata, ka hatrany amin’ny ranomasina andrefana.+