25 Ary hoy i Saoly: “Izao no holazainareo amin’i Davida: ‘Tsy vodiondry+ no sitraky ny mpanjaka, fa tsitsy*+ esorina amin’ny lehilahy filistinina zato, mba hampiharan’ny mpanjaka ny valifatiny+ amin’ny fahavalony.’” I Saoly anefa efa nitetika ny hahafatesan’i Davida eo an-tanan’ny Filistinina.
15 Ary izao no nosoratany tao amin’ilay taratasy:+ “Ataovy any amin’izay misy ny fanafihana mafy indrindra+ i Oria, dia ialao. Ary ho voa izy ka ho faty.”+
9 Koa nahoana ianao no nanao tsinontsinona ny tenin’i Jehovah, ka nanao izay ratsy+ teo imasony? I Oria Hetita dia nasianao tamin’ny sabatra,+ ary ny vadiny nalainao ho vadinao.+ Eny, novonoinao tamin’ny sabatry ny taranak’i Amona izy.