FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 5:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ary mieritreritra ny hanorina trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitro+ aho, araka izay nampanantenain’i Jehovah an’i Davida raiko hoe: ‘Ny zanakao izay hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao handimby anao no hanorina ilay trano ho an’ny anarako.’+

  • 1 Mpanjaka 6:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Izao no lazaiko momba an’io trano ataonao io: Raha handeha araka ny lalàko+ sy hanatanteraka ny didim-pitsarako+ ianao, ary tena hitandrina ny didiko rehetra ka handeha araka izany didiko izany,+ dia hotanterahiko ny teniko momba anao, izay nolazaiko tamin’i Davida rainao,+

  • 1 Tantara 17:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Izy no hanorina trano ho ahy.+ Ary hataoko mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandrianany.+

  • 1 Tantara 22:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Izy no hanao trano ho an’ny anarako,+ ary ho zanako+ izy ary izaho ho rainy.+ Dia hataoko mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandrianan’ny fanjakany+ eo amin’ny Israely.’

  • Zakaria 6:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Eny, hanorina ny tempolin’i Jehovah izy, ary hahazo voninahitra.+ Dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana izy ka hanjaka. Ho mpisorona mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana izy.+ Ary hifanaraka tsara ireo andraikiny roa ireo.+

  • Hebreo 3:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Fa i Kristy kosa mendri-pitokisana amin’ny maha Zanaka+ miandraikitra ny ao an-tranon’Andriamanitra rehetra azy. Isika izany tranony izany,+ raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiantsika miteny sy ny fireharehantsika noho ny fanantenantsika.+

  • 1 Petera 2:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 dia aorina ho trano ara-panahy+ ianareo, izay vato velona koa, mba ho mpisorona masina, ka hanolotra sorona ara-panahy+ ankasitrahan’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara