FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 30:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Rehefa manao fanisam-bahoaka eo amin’ny zanak’Israely ianao,+ dia aoka ny tsirairay hanome ho an’i Jehovah ny vidin’ny fanavotana ny ainy,*+ mba tsy hisy loza hanjo azy ireo rehefa atao ilay fanisam-bahoaka.+

  • Eksodosy 30:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Koa izay rehetra voaisa dia samy hanome antsasaky ny sekely, araka ny sekelin’ny toerana masina,+ ka gera* roapolo ny iray sekely. Eny, antsasaky ny sekely no fanomezana ho an’i Jehovah.+

  • Eksodosy 30:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Hanome fanomezana ho an’i Jehovah ireo rehetra voasoratra anarana, izay roapolo taona no ho miakatra.+

  • Eksodosy 30:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary raiso avy amin’ny zanak’Israely ilay farantsa volafotsy fandrakofam-pahotana, ka omeo hampiasaina amin’ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana.+ Iny no hahatsiarovan’i Jehovah ny zanak’Israely, ka hanaovana fandrakofam-pahotana ho anareo.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara