FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ezra 3:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ary tamin’ny volana faharoan’ny+ taona faharoa nahatongavan’izy ireo tany amin’ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema, dia nanomboka ny asa i Zerobabela+ zanak’i Sealtiela,+ sy Jesoa+ zanak’i Jozadaka, sy ny sisa tamin’ny rahalahin’izy ireo, dia ny mpisorona sy ny Levita, ary izay rehetra nivoaka avy tamin’ny fahababoana+ ka nankany Jerosalema. Ary notendren’izy ireo ho mpanara-maso ny asa momba ny tranon’i Jehovah ireo Levita+ roapolo taona no ho miakatra.+

  • Ezra 5:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Tamin’izay i Zerobabela+ zanak’i Sealtiela,+ sy Jesoa+ zanak’i Jozadaka, no nanomboka nanorina indray ilay tranon’Andriamanitra tany Jerosalema. Ary nisy mpaminanin’Andriamanitra+ nanampy azy ireo.

  • Hagay 1:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary nentanin’i Jehovah+ i Zerobabela* zanak’i Sealtiela, governoran’i Joda, sy Josoa+ mpisoronabe zanak’i Jozadaka, ary ny vahoaka sisa rehetra. Dia niroso izy ireo nanao ny asa momba ny tranon’ilay Andriamaniny, dia i Jehovah Tompon’ny tafika.+

  • Zakaria 3:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ary nasehony ahy i Josoa+ mpisoronabe izay nijoro teo anatrehan’ilay anjelin’i Jehovah, sy i Satana+ izay nijoro teo ankavanany mba hanohitra+ azy.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara