Deoteronomia 30:20 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 20 ka tiavo i Jehovah Andriamanitrao,+ henoy ny feony, ary mifikira aminy.+ Fa izy no manome anao fiainana sy andro maro,+ mba honenanao eo amin’ilay tany nianianan’i Jehovah homena an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.”+ Salamo 37:9 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 9 Ny mpanao ratsy horinganina,+Fa izay manantena an’i Jehovah no handova ny tany.+ Ohabolana 2:21 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 21 Fa ny olo-mahitsy no honina amin’ny tany,+ ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa tavela eo.+ Matio 5:5 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 5 “Sambatra ny malemy fanahy,+ fa izy no handova ny tany.+
20 ka tiavo i Jehovah Andriamanitrao,+ henoy ny feony, ary mifikira aminy.+ Fa izy no manome anao fiainana sy andro maro,+ mba honenanao eo amin’ilay tany nianianan’i Jehovah homena an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.”+