FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 15:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Ary naka ampongatapaka+ i Miriama mpaminanivavy, anabavin’i Arona.+ Nivoaka nanaraka azy koa ny vehivavy rehetra, nitondra ampongatapaka sady nandihy.+

  • Mpitsara 5:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Tamin’izay andro izay, dia velon-kira+ i Debora+ sy Baraka+ zanak’i Abinoama+ hoe:

  • Mpitsara 11:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Farany, dia tonga tao Mizpa,+ tany an-tranony, i Jefta. Ary iny fa nivoaka hitsena azy ny zanany vavy, nively ampongatapaka sady nandihy!+ Zanany vavitokana io, fa tsy nanan-janakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.

  • 1 Samoela 18:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Rehefa avy namely ny Filistinina ry Davida ka tafaverina, dia nivoaka avy any amin’ny tanàna rehetran’ny Israely ireo vehivavy. Sady nihira+ izy ireo no nandihy tamin’ny feon’ampongatapaka+ sy mandôlinina, mba hitsena an’i Saoly mpanjaka tamim-pifaliana.+

  • Isaia 40:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Miakara any an-tendrombohitra+ avo, ry vehivavy mitondra vaovao tsara ho an’i Ziona.+ Asandrato ny feonao ka ataovy mafy, ry vehivavy mitondra vaovao tsara ho an’i Jerosalema,+ eny, asandrato ny feonao. Aza matahotra!+ Lazao amin’ireo tanànan’i Joda hoe: “Indro ny Andriamanitrareo!”+

  • Asan’ny Apostoly 8:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Rehefa ninoan’izy ireo anefa i Filipo izay nitory ny vaovao tsara momba ny fanjakan’Andriamanitra+ sy momba ny anaran’i Jesosy Kristy, dia natao batisa izy ireo, na lehilahy na vehivavy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara