-
Isaia 49:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 I Jehovah, ilay Mpanavotra ny Israely,+ Ilay Masiny, dia nilaza toy izao tamin’ilay nohamavoina tanteraka,+ izay halan’ny firenena+ sady mpanompon’ny mpitondra:+ “Hitsangana ireo mpanjaka,+ ary hiankohoka ireo andriana, noho izay hitan’izy ireo. Hanao izany izy ireo noho ny amin’i Jehovah ilay mendri-pitokisana,+ dia Ilay Masin’ny Israely izay mifidy anao.”+
-
-
Isaia 60:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Fa hanantena ahy foana ny nosy,+ ary hanantena ahy toy ny tamin’ny voalohany koa ny sambon’i Tarsisy,+ mba hitondra ny zanakao lahy avy lavitra,+ miaraka amin’ny volafotsiny sy ny volamenany,+ ho an’ny anaran’i+ Jehovah Andriamanitrao sy Ilay Masin’ny Israely.+ Fa hataony lasa tsara tarehy ianao.+
-