FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 2:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Ary tao anatin’izany fotoana lava izany, no nahafatesan’ny mpanjakan’i Ejipta.+ Mbola nisento ihany anefa ny zanak’Israely noho ny fanandevozana, ka nitaraina foana.+ Dia niantso vonjy izy ireo noho izany, ary niakatra tany amin’ilay tena Andriamanitra ny antson’izy ireo.+

  • Eksodosy 14:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ary rehefa nihananakaiky i Farao, dia nanopy ny masony ny zanak’Israely, ka indreny ny Ejipsianina fa nanenjika azy. Koa natahotra be ny zanak’Israely, ka nitaraina mafy tamin’i Jehovah.+

  • Salamo 50:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Antsoy aho amin’ny andro fahoriana,+

      Dia hamonjy anao aho, ka hanome voninahitra+ ahy ianao.”

  • Salamo 91:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Hiantso ahy izy, dia hamaly azy aho.+

      Ho eo aminy aho raha ory izy.+

      Hamonjy azy aho, ary hanome voninahitra azy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara