10 Ary tany Karkora i Zebaha sy Zalmona,+ mbamin’ny miaramilany dimy arivo sy iray alina teo ho eo, izay sisa tavela tamin’ny tafiky ny Tatsinanana manontolo,+ fa efa maty ny roa alina sy iray hetsy izay samy lehilahy mpitan-tsabatra.+
4 Fa toy ny tamin’ny andron’ny Midianina,+ dia hopotipotehinao ny zioga nentin’izy ireo,+ sy ny tsorakazo nikapohana ny sorony, eny, ny tehina nampiasain’ireo nanery azy hiasa.+
26 Ary i Jehovah Tompon’ny tafika dia hanambana azy amin’ny karavasy,+ toy ny tamin’ny fotoana naharesy ny Midianina, teo akaikin’ny harambaton’i Oreba.+ Ho eo ambony ranomasina ny tehiny,+ ary hingainy toy ny nataony tamin’i Ejipta izany.+