FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 15:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Iza amin’ireo andriamanitra no tahaka anao, Jehovah ô?+

      Iza no tahaka anao izay fara tampony amin’ny fahamasinana,+

      Eny, Ilay tokony hatahorana+ ka hanaovana hira fiderana,+ eny, Ilay manao zava-mahagaga maro?+

  • Salamo 89:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Fa iza any an-danitra no afaka mifampitaha amin’i Jehovah?+

      Iza amin’ireo zanak’Andriamanitra no mitovy amin’i Jehovah?+

  • Salamo 96:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Fa andriamanitra tsy misy dikany daholo ny andriamanitry ny firenena,+

      Fa i Jehovah kosa, izy no nanao ny lanitra.+

  • Isaia 40:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 “Iza anefa no azonareo ampitovina amiko, ka lasa hitovy aminy aho?”, hoy Ilay Masina.+

  • Jeremia 10:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Tsy misy toa anao mihitsy, Jehovah ô!+ Lehibe ianao, ary be voninahitra sy mahery ny anaranao.+

  • Daniela 3:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Koa mamoaka didy aho+ fa izay vahoaka na firenena na olona avy amin’ny fiteny samy hafa ka miteny manohitra an’ilay Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia hotapahina hatao tsy hisy rantsambatana intsony+ izy ary ny tranony hatao kabinem-bahoaka.+ Fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy toa azy.”+

  • 1 Korintianina 8:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Fa na misy aza ireo antsoina hoe “andriamanitra”,+ na any an-danitra+ na eto an-tany,+ toy ny isian’ny “andriamanitra” maro sy “tompo” maro,+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara