FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 20:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary nitalaho tamin’Andriamanitra i Abrahama.+ Koa nositranin’Andriamanitra i Abimeleka sy ny vadiny ary ny mpanompovaviny, ka afaka niteraka izy ireo.

  • Eksodosy 15:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Ary hoy koa Izy: “Raha mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, ary manao izay mahitsy eo imasony ka tena mihaino ny didiny sy mitandrina ny fitsipiny rehetra,+ dia tsy hisy halefako aminareo ny aretina nalefako tamin’ny Ejipsianina,+ fa izaho no Jehovah izay manasitrana anareo.”+

  • 2 Mpanjaka 20:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Miverena ka lazao amin’i Hezekia mpitarika+ ny oloko hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah, Andriamanitr’i+ Davida razambenao: “Efa reko+ ny vavakao,+ ary efa hitako ny ranomasonao.+ Koa hanasitrana anao aho.+ Ary rahafakampitso dia hiakatra any an-tranon’i Jehovah ianao.+

  • Salamo 6:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Aoka ianao ho tsara fanahy amiko, Jehovah ô, fa reraka tanteraka aho.+

      Sitrano aho,+ Jehovah ô, fa mangozohozo ny taolako.

  • Salamo 103:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Fa izy no mamela ny fahadisoanao rehetra,+

      Sy manasitrana ny aretinao rehetra.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara