10 Mihirà hira vaovao+ ho an’i Jehovah! Hirao hatrany amin’ny faran’ny tany ny fiderana azy,+ ry olona mivelona amin’ny ranomasina+ sy amin’izay rehetra ao aminy, ry nosy mbamin’ny mponina eo aminy!+
9 Ary nihira hira vaovao+ izy ireo, nanao hoe: “Mendrika handray ny horonam-boky sy hamaha ny tombo-kaseny ianao, satria efa novonoina ho faty, ary ny ranao+ no nividiananao+ ho an’Andriamanitra,+ olona avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra.