-
Isaia 66:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Dia halain’izy ireo daholo avy any amin’ny firenena rehetra ny rahalahinareo,+ ka hatolony ho fanomezana ho an’i Jehovah,+ ary hoentiny amin’ny soavaly sy kalesy sy sarety mitafo sy ramole ary ramevavavy+ haingam-pandeha, mba hiakatra ho any Jerosalema tendrombohitro masina”,+ hoy i Jehovah. “Izany dia toy ny itondran’ny zanak’Israely fanomezana ao anaty vilia madio hankany an-tranon’i Jehovah.”+
-
-
Ezekiela 20:40Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
40 “‘Fa any amin’ny tendrombohitro masina, any amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘no hanompoan’ny taranak’Israely manontolo ahy, ao amin’ilay tany.+ Any no hankasitrahako azy ireo. Any koa no hitakiako ny fanomezana avy aminareo sy ny voaloham-bokatra atolotrareo, dia ny zava-masina rehetra aterinareo.+
-