FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 13:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary ratsy fanahy ny olona tao Sodoma sady nanota be tamin’i Jehovah.+

  • Deoteronomia 32:32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Fa avy amin’ny voalobok’i Sodoma ny voalobok’izy ireo,

      Avy amin’ny tanimboly mikitohatohatr’i Gomora.+

      Misy poizina ny voalobok’izy ireo,

      Ary mangidy ny voaloboka amin’ny sampahony.+

  • Isaia 3:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Na ny endrik’izy ireo aza dia efa miampanga ny tenany.+ Lazain’izy ireo ny fahotany izay toy ny an’i Sodoma,+ fa tsy nafeniny. Lozan’izy ireo, fa izy ihany no nitady loza ho an’ny tenany!+

  • Fitomaniana 4:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Ny sazin’ny oloko zanakavavy vokatry ny fahadisoany, dia lehibe noho ny sazin’i Sodoma vokatry ny fahotany,+

      Eny, i Sodoma izay noravana indray mipy maso, ary tsy nisy tanana namonjy.+

  • Joda 7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Toy izany koa i Sodoma sy Gomora ary ny tanàna teny akaikiny,+ izay samy nanaram-po tamin’ny fijangajangana toy ireo anjely ireo koa, ka nanaraka ny filan’ny nofony mba hanao zavatra tsy fanao.+ Aseho ho anatra+ ho antsika ireo tanàna ireo, rehefa notsaraina ka nosazina tamin’ny afo maharitra mandrakizay.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara