-
2 Mpanjaka 25:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Ary voagorobaka ny mandan’ny tanàna.+ Koa nandositra ny lehilahy mpiady rehetra raha mbola alina ny andro, ka nanaraka ny lalana mankany amin’ilay vavahady teo anelanelan’ny manda roa sosona, izay teo akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka.+ Efa nanodidina ny tanàna ny Kaldeanina+ tamin’izay. Dia nandeha+ tamin’ny lalana mankany Araba+ ny mpanjaka.
-
-
Jeremia 39:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Raha vao nahita an’ireo i Zedekia mpanjakan’ny Joda sy ny lehilahy mpiady rehetra, dia nandositra+ ka niala tao an-tanàna raha mbola alina ny andro. Tany amin’ny zaridainan’ny mpanjaka+ ny lalan’izy ireo, teo amin’ilay vavahady teo anelanelan’ny manda roa sosona. Ary nivoaka nankany amin’ny lalana ho any Araba+ izy ireo.
-
-
Jeremia 52:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Voagorobaka ny mandan’ilay tanàna+ tamin’ny farany. Koa nandositra+ niala tao ny lehilahy mpiady rehetra raha mbola alina ny andro, ka nanaraka ny lalana mankany amin’ilay vavahady teo anelanelan’ny manda roa sosona, izay teo akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka.+ Ary nivoaka nankany amin’ny lalana ho any Araba+ izy ireo. Efa nanodidina ny tanàna ny Kaldeanina tamin’izay.
-