17 Nahafoy ahy mantsy izy ireo ka nanolotra setroka ho sorona ho an’andriamani-kafa,+ mba hampahatezitra ahy amin’ny asan’ny tanany rehetra.+ Ary nirehitra tamin’ity toerana ity ny fahatezerako ka tsy hovonoina.’”’+
11 “Ianareo no mahafoy an’i Jehovah,+ sy manadino ny tendrombohitro masina,+ sy manomana latabatra ho an’ny andriamanitry ny Vintana,*+ ary mameno ny kaopy amin’ny divay misy fangarony ho an’ny andriamanitry ny Lahatra.+
6 “‘Ianao no nahafoy ahy’,+ hoy i Jehovah. ‘Tsy mitsahatra ny mihemotra ianao.+ Koa haninjitra ny tanako hamely anao aho, ka handringana anao.+ Efa sasatry ny manenina aho.+