FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 12:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Aza manao toy izany amin’i Jehovah Andriamanitrao.+ Izay rehetra maharikoriko an’i Jehovah sady halany mantsy no nataon’ireny tamin’ny andriamaniny, fa ny zanany lahy sy ny zanany vavy aza nodorany tao anaty afo ho an’ny andriamaniny.+

  • 2 Mpanjaka 17:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary nandoro* ny zanany lahy sy ny zanany vavy tao anaty afo+ izy ireo, sady nanao sikidy+ sy nitady fambara,+ ary tsy nanan-tsaina afa-tsy+ ny hanao izay ratsy teo imason’i Jehovah, mba hampahatezitra+ azy.

  • Salamo 106:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 Nataony sorona ho an’ny demonia+ ny zanany lahy

      Sy ny zanany vavy.+

  • Salamo 106:38
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 38 Koa nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny izy ireo,+

      Dia ny ran’ny zanany lahy sy ny zanany vavy,

      Izay nataony sorona ho an’ireo sampin’i Kanana,+

      Ka nanjary naloto ilay tany, noho ny fandatsahan-dra.+

  • Isaia 57:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 ary manaitra filana eny akaikin’ireo hazobe+ sy eny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra,+ sady manao sorona ankizy any amin’ny lohasaha falehan-driaka, eny anelanelan’ny harambato?+

  • Ezekiela 16:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 “‘Dia nalainao ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy izay naterakao tamiko,+ ka nataonao sorona ho an’ireny mba ho levona.+ Mbola tsy ampy anao angaha ny fivarotan-tena nataonao?

  • Ezekiela 20:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Manandratra ny fanomezana avy aminareo ianareo, rehefa mandoro* ny zanakareo ao anaty afo.+ Mbola mandoto tena amin’izany fomba izany ihany ve ianareo mandraka androany, ho voninahitr’ireo sampinareo maharikoriko rehetra?+ Koa hanaiky hanontanianareo ve aho, ry taranak’Israely ô?”’+

      “‘Raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia tsy hanaiky hanontanianareo mihitsy aho.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara