FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 25:39
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 39 Dia ren’i Davida fa maty i Nabala, ka hoy izy: “Hisaorana anie i Jehovah, izay niady ho ahy teo amin’ny fitsarana+ ka nanafaka ahy tamin’ilay fanalam-baraka+ nataon’i Nabala tamiko, sady nisakana ny mpanompony tsy hanao ratsy!+ Ary ny faharatsian’i Nabala dia natsingerin’i Jehovah teo an-dohany ihany!”+ Dia naniraka olona i Davida mba hilaza tamin’i Abigaila ny fangatahany azy ho vady.+

  • Salamo 9:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Nomenao rariny aho rehefa nitondra ny adiko hotsaraina.+

      Nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana ianao, ka nitsara araka ny rariny.+

  • Salamo 35:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Miarena ka mifohaza mba hitsara ahy,+

      Eny, mifohaza mba handray an-tanana ny adiko eo amin’ny fitsarana, Jehovah Andriamanitro ô!+

  • Salamo 43:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 43 Tsarao aho,+ Andriamanitra ô!

      Raiso an-tanana ny adiko eo amin’ny fitsarana,+ izay ifanaovako amin’ny firenena mpivadika.

      Hanafaka ahy amin’ny olona mpamitaka sy tsy marina anie ianao.+

  • Jeremia 51:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Koa izao no nolazain’i Jehovah: “Hiady ho anao eo amin’ny fitsarana aho,+ ka izaho mihitsy no hamaly izay nataony taminao.+ Hataoko ritra ny ranomasina ao aminy ary hataoko maina ny lavadranony.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara