FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 9:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Ary rehefa nasain’i Jehovah niala tao Kadesi-barnea+ ianareo ka nataony hoe: ‘Miakara ka alaivo ho fanananareo ilay tany izay homeko anareo!’, dia nikomy tsy nanaraka ny baikon’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo,+ ary tsy nino+ azy na nihaino ny feony.+

  • Salamo 5:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Homelohin’Andriamanitra tokoa izy ireo,+

      Ary ny tetika nataony ihany no hahavoa azy.+

      Aoka hiparitaka izy ireo fa betsaka ny fandikan-dalàna nataony,+

      Satria nikomy taminao izy.+

  • Salamo 107:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Satria nikomy+ tsy nanaraka ny tenin’Andriamanitra,+

      Ary tsy niraharaha ny torohevitr’ilay Avo Indrindra.+

  • Isaia 1:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Aoka ny lanitra hihaino,+ ary aoka ny tany hanongilan-tsofina, fa izao no nolazain’i Jehovah: “Efa nitaiza sy nahalehibe zanaka aho,+ nefa nikomy tamiko izy ireo.+

  • Isaia 63:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Nikomy anefa izy ireo,+ ka nanao izay hampalahelo ny fanahiny masina.+ Koa nanjary fahavalon’izy ireo izy+ ka niady taminy.+

  • Ezekiela 20:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “‘“Nikomy tamiko anefa izy ireo+ sady tsy nety nihaino ahy. Tsy nisy tamin’izy ireo nanary ny zava-maharikoriko nandrandrainy, ary tsy nisy koa nahafoy an’ireo sampy maharikorikon’i Ejipta.+ Koa nilaza aho fa hampihariko aminy ny fahatezerako, mba hanamparako ny fahavinirako aminy any Ejipta.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara