FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 11:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Fa nanaraka an’i Astarta,+ andriamanibavin’ny Sidonianina i Solomona, sady nanaraka an’i Milkoma,+ zava-maharikoriko notompoin’ny Amonita.

  • Salamo 106:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Nifangaroharo tamin’ny firenen-kafa kosa izy ireo,+

      Ka nianatra ny fanaony.+

  • Isaia 1:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Indrisy fa lasa mpivaro-tena+ ilay tanàna tsy nivadika!+ Ny rariny no nanjaka tao fahiny,+ ary ny fahamarinana no nitoetra tao,+ nefa ankehitriny kosa dia mpamono olona no ao.+

  • Isaia 57:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Nametrahanao ny marika fahatsiarovana+ nataonao, tao ambadiky ny varavarana sy ny tolàna. Nanalavitra ahy ianao, ary niala akanjo ka niakatra teny am-pandriananao izay efa nataonao malalaka.+ Ary nanao fifanekena tamin’ireny ianao mba hahazoanao tombontsoa. Tianao ny niray fandriana tamin’ireny,+ ary nibanjina ny filahiana ianao.

  • Jeremia 2:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 “‘Efa hatry ny ela no nopotipotehiko ny zioganao,+ ary notapahiko ny tady nangeja anao. Hoy ihany anefa ianao: “Tsy hanompo anao aho.” Dia nitsilailay eran’ny havoana avo rehetra sy teny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra+ ianao, ka nivaro-tena.+

  • Hosea 1:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Ary i Jehovah nanomboka niteny tamin’ny alalan’i Hosea, ka hoy i Jehovah taminy: “Mandehana+ ianao maka vady izay hijangajanga, dia hahazo zanaky ny fijangajangany ianao. Nijangajanga mantsy ity tany ity ka tsy nanaraka an’i Jehovah intsony.”+

  • Jakoba 4:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Ry mpanitsakitsa-bady,+ tsy fantatrareo ve fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao?+ Koa na iza na iza te ho naman’izao+ tontolo izao, dia mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra izy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara