5 Dia nino an’Andriamanitra ny olona tao Ninive,+ ka nanao antso avo hoe hisy fifadian-kanina. Nitafy lamba gony koa izy ireo,+ hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.
21 “Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida!+ Raha tany Tyro sy Sidona mantsy no nanaovana ny fahagagana natao tao aminareo, dia ho efa nibebaka hatry ny ela ireo ka niakanjo gony sy nihosin-davenona.+
41 Hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity mandritra ny fitsarana ny mponin’i Ninive+ ka hanameloka+ azy, satria nibebaka izy ireo rehefa nitory taminy i Jona.+ Misy lehibe noho i Jona anefa eto.
46 Fa niteny tamim-pahasahiana i Paoly sy Barnabasy hoe: “Tsy maintsy notorina taminareo aloha ny tenin’Andriamanitra.+ Koa satria lavinareo+ izany ka mihevitra ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay ianareo, dia hitodi-doha ho any amin’ny hafa firenena izahay.+