FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nehemia 9:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Tsy nanompo anao izy ireo+ sady tsy niala tamin’ny fanao ratsiny,+ tamin’ny fotoana mbola nisian’ny fanjakana+ teo amin’izy ireo sy nahazoany zava-tsoa+ be dia be avy taminao, ary nonenany tao amin’ilay tany+ malalaka sady lonaka nomenao azy.

  • Isaia 9:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Tsy niverina tamin’Ilay namely azy ny vahoaka,+ sady tsy nitady an’i Jehovah+ Tompon’ny tafika.

  • Jeremia 8:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Nahoana no mivadika amiko ity vahoakan’i Jerosalema ity sady mikiribiby amin’izany fivadihany izany? Mamitaka foana izy ireo,+ ary tsy mety miverina amiko.+

  • Amosa 4:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 “‘Nataoko mosarena*+ ianareo tany amin’ny tanàna rehetra nonenanareo, ary tsy nanan-kohanina tany amin’izay rehetra nisy anareo.+ Tsy niverina tamiko anefa ianareo’,+ hoy i Jehovah.

  • Zakaria 1:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 “‘Aza manahaka ny razanareo,+ izay nitenenan’ny mpaminany fahiny+ hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mialà amin’ny lalan-dratsinareo sy ny ratsy fanaonareo, ka miverena amiko.’”’+

      “‘Tsy nihaino anefa izy ireo, ary tsy niraharaha izay nolazaiko’,+ hoy i Jehovah.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara