FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 10:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Ary ankehitriny, ry Israely ô, inona moa no angatahin’i Jehovah Andriamanitrao aminao?+ Tsy izao ihany ve: Ny hatahoranao+ an’i Jehovah Andriamanitrao mba handehananao amin’ny lalany rehetra+ sy hitiavanao azy+ sy hanompoanao an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo,+

  • Ohabolana 21:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Tian’i Jehovah mihoatra noho ny sorona ny fanaovana ny marina sy ny rariny.+

  • Isaia 1:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Mianara manao ny tsara,+ katsaho ny rariny,+ anaro ny mpampahory,+ omeo rariny ny kamboty ray,+ ary miadia ho an’ny mpitondratena.”+

  • Jeremia 22:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Izao no nolazain’i Jehovah: “Manaova ny rariny sy ny hitsiny, ka afaho eo an-tanan’izay nanambaka azy ilay nambakaina. Aza mampijaly ny mpivahiny na ny kamboty ray na ny mpitondratena,+ ary aza misetrasetra aminy.+ Aza mandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny eto amin’ity toerana ity.+

  • Ezekiela 45:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Efa tofoka aminareo aho, ry mpiadidy eo amin’ny Israely!’+

      “‘Atsaharo ny herisetra sy ny fandrobana,+ ka manaova ny rariny sy ny hitsiny.+ Aoka izay ny fakana an-keriny ny fananan’ny oloko!’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.

  • Hosea 12:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 “Miverena amin’Andriamanitrao,+ ka manehoa hatsaram-panahy feno fitiavana+ ary manaova ny rariny.+ Aoka koa ianao hanantena foana an’Andriamanitrao.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara