Jeremia 9:10 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 10 Hidradradradra sy hitomany+ eny an-tendrombohitra aho, ary hanao hira fisaonana eny an-kijana any an-tany efitra, fa hodorana ireny+ ka tsy hisy handalo intsony eny, sady tsy handrenesana feom-biby fiompy intsony.+ Nandositra ny voro-manidina sy ny bibidia ka efa lasa daholo.+ Fitomaniana 1:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 1 Indrisy! Mipetraka irery+ ankehitriny ilay tanàna be olona fahiny.+Nanjary toy ny vehivavy mpitondratena+ ilay tanàna izay be mponina teo amin’ireo firenena!+Manao asa an-terivozona+ ilay andriambavin’ireo faritany! Ezekiela 2:10 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 10 Dia novelariny tsikelikely teo anatrehako ilay horonam-boky. Nisy soratra ambadika sy ambadika ilay izy.+ Hira fisaonana no voasoratra tao, ary koa fanehoana alahelo sy fahoriana.+
10 Hidradradradra sy hitomany+ eny an-tendrombohitra aho, ary hanao hira fisaonana eny an-kijana any an-tany efitra, fa hodorana ireny+ ka tsy hisy handalo intsony eny, sady tsy handrenesana feom-biby fiompy intsony.+ Nandositra ny voro-manidina sy ny bibidia ka efa lasa daholo.+
1 Indrisy! Mipetraka irery+ ankehitriny ilay tanàna be olona fahiny.+Nanjary toy ny vehivavy mpitondratena+ ilay tanàna izay be mponina teo amin’ireo firenena!+Manao asa an-terivozona+ ilay andriambavin’ireo faritany!
10 Dia novelariny tsikelikely teo anatrehako ilay horonam-boky. Nisy soratra ambadika sy ambadika ilay izy.+ Hira fisaonana no voasoratra tao, ary koa fanehoana alahelo sy fahoriana.+