FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 13:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Fa hovonoina ho faty+ izany mpaminany+ na mpanonofy izany, satria efa nitaona anareo hikomy tamin’i Jehovah Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta, sy nanavotra anareo avy tany amin’ny trano fanandevozana. Eny, nitaona anareo hikomy izy, mba hampiala anareo amin’ny lalana nasain’i Jehovah Andriamanitrareo haleha.+ Esory tsy ho eo aminareo ny ratsy.+

  • Jeremia 8:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Koa homeko ho an’olon-kafa ny vadiny, ary ny sahany ho lasan’olona,+ satria samy maka tombony tsy ara-drariny na ny madinika indrindra na ny lehibe indrindra.+ Ary samy mamitaka na ny mpaminany na ny mpisorona.+

  • Jeremia 23:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Hitako koa ny zava-mahatsiravina+ ataon’ireo mpaminanin’i Jerosalema: Manitsakitsa-bady+ sy mandainga+ izy ireo, ary manome tanana an’ireo mpanao ratsy mba tsy hisy hiala amin’ny ratsy fanaony ireny.+ Toa an’i Sodoma+ daholo izy ireo amiko, ary ny mponina ao Jerosalema toa an’i Gomora.”+

  • Ezekiela 14:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “‘Ary raha misy mpaminany voafitaka nefa milaza faminaniana, dia izaho Jehovah no namitaka azy.+ Koa haninjitra ny tanako hamely azy aho, ary hofongorako tsy ho eo amin’ny Israely oloko izy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara