21 Ary hasainy avoaka ho eny an-tsisin-toby ilay omby, ka hodorany tahaka ny nandorany an’ilay omby voalohany.+ Fanatitra noho ny ota ho an’ny fiangonana izany.+
11 Noho ny fahoriany, dia hahita zava-tsoa izy+ ka ho afa-po.+ Ny fahalalana azon’ilay olo-marina mpanompoko+ no hanampiany olona maro ho tonga olo-marina.+ Ary hozakainy ny fahadisoan’izy ireo.+
14 Nanolotra ny tenany+ ho antsika izy mba hanafahany+ antsika amin’ny karazana fandikan-dalàna rehetra sy mba hanadiovany+ firenena iray ho azy manokana,+ dia firenena mazoto amin’ny asa tsara.+
28 dia tahaka izany koa no nanolorana an’i Kristy indray mandeha monja+ mba hitondra ny fahotan’ny maro.+ Ary rehefa hiseho+ fanindroany+ izy, dia tsy hanaisotra fahotana,+ fa hiseho amin’ireo miandry azy fatratra ho famonjena an’ireo.+