-
Matio 21:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Dia hoy ny navalin’i Jesosy azy ireo: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa raha mba manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala,+ dia ho vitanareo izay nataoko tamin’ilay aviavy. Ary tsy izany ihany fa raha hilaza amin’ity tendrombohitra ity ianareo hoe: ‘Mialà eto ka mianjerà any an-dranomasina’, dia hitranga tokoa izany.+
-
-
Kolosianina 1:23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 raha maharitra amin’ny finoana+ ianareo, ka miorina tsara eo amin’ny fototra,+ ary tsy mihozongozona+ na voafindra hiala amin’ny fanantenana an’ilay vaovao tsara renareo+ sady notorina+ tamin’ny zavaboary+ rehetra eny ambanin’ny lanitra. Ary tonga mpanompo mitory an’io vaovao tsara io izaho Paoly.+
-