FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Joba 34:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Fa araka izay ataon’ny olombelona no hamaliany+ azy,

      Ary araka izay alehany ihany no hampanodiaviny azy.

  • Salamo 62:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Anao koa ny hatsaram-panahy feno fitiavana, Jehovah ô,+

      Fa ianao no mamaly ny tsirairay araka ny asany.+

  • Ohabolana 24:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Raha hoy ianao: “Tsy nahafantatra an’izany izahay”,+ tsy hahafantatra an’izany koa ve ilay mandinika ny fo?+ Mahalala an’izany tokoa ilay mandinika tsara anao,+ ary hovaliany araka ny nataony avy ny olona.+

  • Ezekiela 18:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 “‘Koa arakaraka izay nataonareo avy no hitsarako anareo,+ ry taranak’Israely ô!’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.+ ‘Mibebaha ka mialà amin’ny fahadisoana rehetra nataonareo,+ ary aoka tsy hisy na inona na inona ho tonga vato mahatafintohina anareo, ka hahatonga anareo hanao fahadisoana.+

  • Matio 16:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Fa ny Zanak’olona efa voatendry ho tonga amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny anjeliny, ka hamaly ny tsirairay araka ny fitondran-tenany avy.+

  • Jaona 5:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 dia hivoaka izy ireo. Koa izay nanao ny tsara dia hatsangana ho amin’ny fiainana,+ fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana ho amin’ny fanamelohana.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara