5 Ary ankehitriny, raha mankatò+ an-tsakany sy an-davany ny teniko ianareo ka tena manaja ny fifanekena hataoko aminareo,+ dia ho fananako manokana fidiko avy amin’ny firenena hafa rehetra tokoa ianareo,+ satria ahy ny tany manontolo.+
6 Fa vahoaka masina ianareo amin’i Jehovah Andriamanitrareo.+ Ary ianareo no nofidin’i Jehovah Andriamanitrareo avy tamin’ny firenena rehetra etỳ ambonin’ny tany, mba ho vahoakany sy ho fananany manokana.+
15 Ny razanao ihany anefa no niraiketan’ny fon’i Jehovah ka notiaviny. Koa nofidiny teo amin’ny firenena rehetra ny taranany,+ izany hoe ianareo, toy ny amin’izao andro izao.