FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • nwt p. 28-p. 29
  • Fanontaniana 16: Inona no atao mba tsy hanahy be loatra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontaniana 16: Inona no atao mba tsy hanahy be loatra?
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Fanontaniana 16: Inona no atao mba tsy hanahy be loatra?

FANONTANIANA 16

Inona no atao mba tsy hanahy be loatra?

“Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa hanohana anao izy. Tsy havelany hianjera mihitsy ny olo-marina.”

Salamo 55:22

“Mandamina mialoha an’izay hataony ny mazoto, ka mahomby, fa hahantra kosa izay rehetra maimaika.”

Ohabolana 21:5

“Aza matahotra fa manohana anao aho. Aza manahy fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao. Hitazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako manao ny rariny.”

Isaia 41:10

“Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na dia kely aza, rehefa manahy?”

Matio 6:27

“Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa aleo rahampitso no manahy ny amin’ny rahampitso. Efa ampy ny olana mitranga amin’ny andro tsirairay.”

Matio 6:34

‘Fantaro izay zava-dehibe kokoa.’

Filipianina 1:10

Vehivavy sy ny zanany vavy mivavaka alohan’ny hisakafo

“Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana ary ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona, no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.”

Filipianina 4:6, 7

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara