FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/6 p. 144
  • Niaro tsy hanao heloka ny fahamarinana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Niaro tsy hanao heloka ny fahamarinana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/6 p. 144

Niaro tsy hanao heloka ny fahamarinana

Nitantara izao manaraka izao ny vehivavy iray, vavolombelon’i Jehovah any Michigan: “Niaraka tamin’ny vavolombelon’i Jehovah iray hafa aho mba hitsidika vehivavy izay tena kivy tokoa ka nihevitra ny hamono tena. Ny antony tokana nandraisany anay, dia noho ny zana-drahavaviny iray vavolombelon’i Jehovah koa. Tsapany tsara tokoa fa ny fianarana ny Baiboly, dia nanampy io zana-drahavaviny io hisetra ireo fahasahirana isan-karazany eo amin’ny fiainana.

“Tamin’ny fotoana nahitanay azy. dia toa efa tsy mahatsiaro ny handamina ny volony akory izy, ary nanjary enta-mavesatra ho azy ny manao ny raharaha ao an-tokantrano. Vao maika naharatsy ny toe-javatra ny pastorany raha niteny taminy, fa zavatra tsy hay saintsainina izao mahazo azy izao. Taorian’izay, dia nanandrana ny hanadino ny adin-tsainy amin’ny zava-pisotro misy alkola izy. Nihevitra tokoa izy fa tsy misy olona afaka hanampy azy, kanefa dia nekeny ihany ny hiverena-ko hitsidika azy. Mikasika ny hoe: iza moa no tompon’andraikitra amin’ny fahorian’ny olona, ny adi-hevitry ny Baiboly voalohany nataonay. Fantany tamin’izany izay lazain’ny Baiboly momba an’i Satana, Devoly. Fantany koa ny hoe: fomba manao ahoana no tokony hanovàna ny sain’ ny tena sy ny hitafiana ny “olom-baovao”. Te-hisotro marina tokoa “amin’ny ranon’ aina” izy.—Fanambarana 22:17, MN.

“Avy eo dia nanomboka niresaka ny Baiboly tamin’ny olon-kafa izy, satria nankasitrahany tokoa ny fanampiana nentin’ny fahamarinan’Andriamanitra ho azy. Ny olona sasany nanao taminy hoe: “Fomba manao ahoana no ahafahanao miresaka ny Baiboly amin’izao toetranao izao?” Fa izy kosa namaly hoe: “Ny marary indrindra no mila mpitsabo. Ny vavolombelon’i Jehovah no nanampy ahy ka nahatonga ahy toy izao.” Fotoana fohy monja taorian’ ny nanombohany nianatra ny Baiboly, dia afaka nampahery lehilahy iray izay tena azon’ny hakiviana izy. Nitantara taminy ilay lehilahy fa efa nataony tao anaty fiarakodiany ny basiny mba ho ampiasainy hamonony tena, amin’ny fotoana maha mety izany. Namaly azy ilay vehivavy ka nilaza taminy fa izy koa dia efa nandalo tamin’izany, kanefa nanampy azy ny vavolombelon’i Jehovah mba tsy hanao izany. Mianatra ny Baiboly miaraka amin’ny anankiray amin’izy ireo, io lehilahy io, ankehitriny. Ny amin’ilay vehivavy kosa, izy izay tena nijaly, kivy tokoa fahiny iny, dia nanjary sambatra tokoa ankehitriny. Tsy mba nampiasa ny zava-pisotro misy alkola izy mba ahitana ny fahasambarana marina, fa nisotro kosa “tamin’ny ranon’ aina”, izany hoe ny fahamarinan’Andriamanitra.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara