Lesona Faha-16
Ny Fanapahan-kevitrao Hanompo An’Andriamanitra
Inona no tsy maintsy ataonao mba hahatongavanao ho sakaizan’Andriamanitra? (1, 2)
Ahoana no anaovanao ny fanoloran-tenanao ho an’Andriamanitra? (1)
Rahoviana ianao no tokony hatao batisa? (2)
Ahoana no ahazoanao ny hery tsy hivadihana hatrany amin’Andriamanitra? (3)
1. Mba hahatonga anao ho sakaizan’Andriamanitra, dia tsy maintsy fantatrao tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (1 Timoty 2:3, 4) Tsy maintsy mino ireo zavatra nianaranao koa ianao (Hebreo 11:6), mibebaka noho ireo fahotanao (Asan’ny Apostoly 17:30, 31), ary miverin-dalana mba hanova ny fiainanao. (Asan’ny Apostoly 3:19) Avy eo, ny fitiavanao an’Andriamanitra dia tokony hanosika anao hanolo-tena ho azy. Midika izany fa hanao vavaka manokana ianao irery, ka holazainao amin’Andriamanitra fa atolotrao ho azy ny tenanao mba hanao ny sitrapony.—Matio 16:24; 22:37.
2. Rehefa avy nanolo-tena ho an’Andriamanitra ianao, dia tokony hatao batisa. (Matio 28:19, 20) Rehefa atao batisa ianao dia ho fantatry ny rehetra fa efa nanolo-tena ho an’i Jehovah. Koa ireo efa ampy taona mba hanapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra ihany no azo atao batisa. Rehefa atao batisa ny olona iray, dia ny vatany manontolo no tokony halentika vetivety ao anaty rano.a—Marka 1:9, 10; Asan’ny Apostoly 8:36.
3. Rehefa avy nanolo-tena ho an’i Jehovah ianao, dia manantena izy fa hitana ny teny nataonao ianao. (Salamo 50:14; Mpitoriteny 5:4, 5) Hiezaka hampijanona anao tsy hanompo an’i Jehovah ny Devoly. (1 Petera 5:8) Manatòna an’Andriamanitra amin’ny vavaka. (Filipiana 4:6, 7) Mianara ny Teniny isan’andro. (Salamo 1:1-3) Aza misaraka amin’ny fiangonana. (Hebreo 13:17) Rehefa manao izany rehetra izany ianao, dia hahazo hery mba tsy hivadihana hatrany amin’Andriamanitra. Amin’izay ianao dia ho afaka hanao mandrakizay izay takin’Andriamanitra aminao!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hiomanana ho amin’ny batisa, dia asaina ianao hianatra ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, na ny boky mitovy amin’io, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.