FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Klaodio Lysia”
  • Klaodio Lysia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Klaodio Lysia
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Lysia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Handahatra eo Anatrehan’i Kaisara Aho”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Klaodio
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Olom-pirenena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Klaodio Lysia”

KLAODIO LYSIA

(Klôdiô Lysià).

Mpitari-tafika niandraikitra ny toby miaramila romanina tao Jerosalema, tamin’ny fotoana farany nankanesan’ny apostoly Paoly tany, tamin’ny taona 56 tany ho any. Nifehy tafika nisy 1000 lahy izy. Toa Grika izy satria anarana grika ny hoe Lysia. Lasa nizaka ny zom-pirenena romanina izy rehefa nandoa vola be, angamba tamin’ny andro nanjakan’i Klaodio. Fanaon’izay te hizaka ny zom-pirenena romanina mantsy ny naka ny anaran’izay mpanjaka nitondra tamin’izany. (As 22:28; 23:26) Milaza ilay Romanina mpahay tantara antsoina hoe Dion Cassius fa vola be matetika no tsy maintsy naloan’izay te hizaka zom-pirenena romanina, tany am-piandohan’ny fitondran’i Klaodio Mpanjaka.​—Tantaran’i Roma Nosoratan’i Dion, LX, 17, 5, 6.

Resahin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ny fomba nitondran’i Klaodio Lysia ny apostoly Paoly. Nanavotra an’i Paoly tsy ho fatin’ny vahoaka nirotaka i Klaodio Lysia sy ny miaramilany ary ireo manamboninahitra niaraka taminy. Nosamborin’i Klaodio Lysia i Paoly ary nasainy nofatorana. Tsy afaka namantatra izay tena antony niampangana an’i Paoly izy, satria nitabataba ny vahoaka. Nasainy nentina tany amin’ny toby miaramila tao amin’ny Tilikambon’i Antonia àry ilay apostoly.​—As 21:30-34.

Rehefa nahazo toky i Klaodio Lysia fa tsy i Paoly ilay Ejipsianina nandrisika ny olona hikomy tamin’ny fanjakana sady nitondra “mpitan-tsabatra” 4000 ho any an-tany efitra, dia nomeny alalana hiteny tamin’ny vahoaka izy. Azo inoana hoe teo amin’ny tohatoha-baton’ilay tilikambo i Paoly no nitsangana tamin’izay. Nisahotaka indray anefa ny vahoaka, rehefa nilaza i Paoly fa nirahina ho any amin’ny hafa firenena izy. Avy hatrany, dia nandidy ny hitondrana an’i Paoly ho any amin’ny toby miaramila i Klaodio Lysia, ary nasainy nokaravasina i Paoly rehefa nofotopotorana.​—As 21:35-40; 22:21-24.

Ren’i Klaodio Lysia hoe Romanina i Paoly, ka nanadihady manokana izy. Nony fantany fa Romanina tokoa i Paoly nefa nofatorany, dia natahotra izy satria tsy nanaja ny zon’ny olom-pirenena romanina. (As 22:25-29) Nino avy hatrany ny tenin’i Paoly ilay mpitari-tafika, satria nomelohina ho faty izay olona nihambo ho nizaka ny zom-pirenena romanina nefa nandainga. Milaza i Suétone, mpahay tantara, fa tsy navelan’ny mpanjaka “haka anarana romanina ny olona hafa firenena, indrindra fa anarana fianakaviana romanina. Izay nisandoka ho nizaka ny zom-pirenena romanina dia novonoiny tany amin’ny saha tany Esquilin.”​—Ny Fiainan’ireo Kaisara, Klaodio, XXV, 3.

Te hahalala izay tena antony niampangana an’i Paoly i Klaodio Lysia ka nasainy nivory ny Fitsarana Avo Jiosy. Rehefa niresaka momba ny fitsanganana amin’ny maty anefa i Paoly, dia nifanditra mafy ireo anisan’ilay Fitsarana Avo. Natahotra àry i Klaodio Lysia sao hifandroritan’ny olona i Paoly, ka nomeny baiko ny miaramilany mba hisintona azy haingana avy teo afovoan’ny olona.​—As 22:30; 23:6-10.

Ren’i Klaodio Lysia avy tamin’ny zanak’anabavin’i Paoly hoe efa nifanara-kevitra ny Jiosy fa hamono an’ilay apostoly. Nampiantso manamboninahitra roa lahy àry i Klaodio Lysia. Nasainy nanomana miaramila 200 lahy izy ireo niaraka tamin’ny mpitaingin-tsoavaly 70 sy mpitan-defona 200. Nilazany izy ireo mba hiainga tamin’ny 9 ora alina teo ho eo, ka hitondra an’i Paoly ho any amin’i Feliksa Governora tany Kaisaria. (As 23:16-24) Nanoratra taratasy ho an’i Feliksa Governora koa izy, satria nitaky an’izany ny lalàna romanina. Toa te hilaza i Klaodio Lysia tao amin’ny taratasy nosoratany fa nanafaka an’i Paoly izy rehefa fantany hoe Romanina ilay apostoly. Tsy marina anefa izany satria tsy nanaja ny zon’i Paoly izy. Namatotra an’i Paoly mantsy izy sady nanome baiko ny hikaravasiana azy nandritra ny famotopotorana.​—As 23:25-30.

Novakina teo anatrehan’i Paoly nandritra ny fitsarana azy angamba ilay taratasy, matoa fantatr’i Lioka ny tao anatiny. Mety ho nahazo dika mitovy tamin’ilay taratasy mihitsy aza i Paoly, rehefa nampakatra ny raharaha tany amin’i Kaisara.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara