ELISAFATA
(Elisafàta) [Ny Andriamanitro dia Nitsara].
Iray tamin’ireo lehiben’ny zato, izay nanaovan’i Joiada fifanekena, ary anisan’ireo nalefa hitety ny tanin’i Joda mba hanangona Levita sy lohan’ny fianakaviambe teo amin’ny Israely. (2Ta 23:1, 2) Nanampy an’i Joiada i Elisafata mba hahazoan’i Joasy ny seza fiandrianana. I Joasy mantsy no tena mpandova ny fanjakana. Nanampy koa i Elisafata rehefa naongana i Atalia mpandrombaka fanjakana.