FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Sinapy”
  • Sinapy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sinapy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Voan-tsinapy — Foto-kevitra Mahamay
    Mifohaza!—1996
  • Nampianatra tamin’ny alalan’ny fanoharana izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • ‘Mihainoa, ka Fantaro ny Hevitry ny Teniko’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Fampianarana tamin’ny alalan’ny fanoharana
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Sinapy”

SINAPY

(sinàpy) [gr.: sinapi].

Ahitra mitombo haingana. Niresaka ny voany i Jesosy tao amin’ny fanoharana momba ny Fanjakan’ny lanitra (Mt 13:31, 32; Mr 4:30-32; Lk 13:18, 19; jereo FANOHARANA), sy rehefa nanasongadina ny herin’ny finoana na kely aza. (Mt 17:20; Lk 17:6) Maromaro ny karazana sinapy maniry ho azy any Palestina, fa ny sinapy mainty (Brassica nigra) no famboly any. Rehefa afaka volana vitsivitsy, dia mety ho lasa toy ny hazo ilay voan-tsinapy nafafy tamin’ny tany lonaka satria 4,5 m ny haavony, ary toy ny sandrin’olona ny hatevin’ny tahobeny. Mavo ny voninkazony, ary maitso be ny raviny misy nifinifiny. Mifono hoditra ny voany maromaro izay mivolontsôkôlà na mainty. Lasa mafy sy henjana ny tahony sy sampany rehefa faramparan’ny taona, ka mahazaka vorona toy ny karazana fody izay mihinana ny voany.

Tsy ny voan-tsinapy, hono, no “bitika indrindra” amin’ny voa rehetra, satria mbola bitika kokoa ny an’ny orkide, ary tsy lasa “hazo”, hono, ny sinapy. Izay fantatry ny mpihaino azy anefa no noresahin’i Jesosy. Tamin’izy ireo dia ny voan-tsinapy no anisan’ny voa bitika indrindra namboleny, ary na ny zavamaniry kely noho ny sinapy aza mbola ataon’ny Arabo hoe “hazo” koa.​—Mt 13:31, 32.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara