FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Nabota”
  • Nabota

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nabota
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Nosazina Ilay Mpanjakavavy Ratsy Fanahy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Manahaka ny Fiheveran’i Jehovah ny Rariny ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Jezebela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Niaritra Izy na teo aza ny Tsy Rariny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Nabota”

NABOTA

(Nabôta).

Jezirelita niharan’ny teti-dratsin’i Jezebela Vadi-mpanjaka. Nanana tanimboaloboka izy tany Jezirela, teo akaikin’ny lapan’i Ahaba Mpanjaka. Saika hividy an’ilay izy i Ahaba, na hanakalo azy io tamin’ny tanimboaloboka tsara kokoa. Tsy nety anefa i Nabota. Tsy navelan’i Jehovah hatao varo-maty mantsy ny lovan’ny fianakaviana. (1Mp 21:1-4; Le 25:23-28) Nanao tetika anefa i Jezebela vadin’i Ahaba Mpanjaka, mba hisian’ny vavolombelona mandainga roa hanendrikendrika an’i Nabota ho nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka. Novonoina ho faty àry i Nabota sy ny zanany lahy (2Mp 9:26), ka naka an’ilay tanimboaloboka ho fananany i Ahaba. Noho io vonoan’olona io, dia naminany i Elia hoe eo amin’izay nilelafan’ny alika ny ran’i Nabota no hihinanan’ny alika an’i Jezebela sy hilelafan’ny alika ny ran’i Ahaba. Hofongorana koa ny taranak’i Ahaba. (1Mp 21:5-23) Tanteraka tokoa io fanamelohan’Andriamanitra io.​—1Mp 22:34, 38; 2Mp 9:21, 24-26, 35, 36; 10:1-11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara