FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Nadaba”
  • Nadaba

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nadaba
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Abiho
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Apaima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Eliseba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Nadaba”

NADABA

(Nadàba) [Tia Manome; Tsara Toetra; Malala-tanana].

1. Lahimatoan’i Arona sy Eliseba. (Ek 6:23; 1Ta 6:3) Teraka tany Ejipta i Nadaba ary anisan’ireo Israelita nafahana avy tany Ejipta izy. Nantsoina hiakatra tany amin’ny Tendrombohitra Sinay niaraka tamin’i Arona sy Mosesy izy sy Abiho zandriny lahy nanarakaraka azy ary ireo anti-panahy israelita 70. Nahazo fahitana an’Andriamanitra izy ireo tany. (Ek 24:1, 9-11) Napetraka teo amin’ny toeran’ny mpisorona niaraka tamin’ny rainy i Nadaba sy izy telo lahy rahalahiny. (Ek 28:1; 40:12-16) Toa ny androtr’iny ihany, dia nanao zavatra tsy nety i Nadaba sy Abiho ka nanolotra afo tsy ara-dalàna. Tsy voalaza hoe nahoana no tsy ara-dalàna ilay afo. Mamo angamba izy ireo rehefa nanao an’ilay fahotana (taorian’izay avy hatrany mantsy dia norarana ny fisotroana divay na toaka rehefa manao fanompoana). Mety tsy ho izay fotsiny anefa ilay fahotana nanasaziana azy. Na izany aza, dia mety ho noho izy roa lahy mamomamo no nahatonga azy hanao ilay fahotana. Nisy afo avy tamin’i Jehovah namono azy ireo, ary nentina tany ivelan’ny toby ny fatiny. (Le 10:1-11; No 26:60, 61) Maty tsy niteraka i Nadaba sy Abiho, ka ankohonana roa sisa no hiavian’ireo mpisorona atỳ aoriana, dia ny ankohonan’i Eleazara sy Itamara.​—No 3:2, 4; 1Ta 24:1, 2.

2. Taranak’i Jeramela avy amin’ny fokon’i Joda. Zanakalahin’i Samay i Nadaba ary rain’i Saleda sy Apaima.​—1Ta 2:3, 25, 26, 28, 30.

3. Zanakalahin’i Jeiela avy amin’ny fokon’i Benjamina.​—1Ta 8:1, 29, 30; 9:35, 36.

4. Zanakalahin’i Jeroboama ary mpanjaka faharoa tany amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely tany avaratra. Nanjaka nanomboka tamin’ny 976 T.K. tany ho any i Nadaba, ary naharitra roa taona teo ho eo ny fanjakany. Mbola notohiziny ny fivavahana tamin’ny zanak’omby izay natomboky ny rainy. Novonoin’i Basa izy rehefa nanao fahirano an’i Gibetona, tanànan’ny Levita teo aloha (Js 21:20, 23) izay nalain’ny Filistinina. Novonoin’i Basa koa avy eo izay sisa tavela tamin’ny ankohonan’i Jeroboama, mba hiarovany ny seza fiandrianany.​—1Mp 14:20; 15:25-31.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara