FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Foiby”
  • Foiby

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Foiby
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Kenkrea
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Afaka Mitory Teny ve ny Vehivavy?
    Mifohaza!—2010
  • “Aoka Ianareo ho Tia Mandray Vahiny”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Foiby”

FOIBY

(Foibỳ) [Madio; Mazava; Mamiratra].

Anabavy kristianina tao amin’ny fiangonan’i Kenkrea, tamin’ny taonjato voalohany. ‘Nampahafantatra’ an’io anabavy io tamin’ireo Kristianina tany Roma i Paoly, tao amin’ny taratasiny ho azy ireo. Niangavy azy ireo izy mba hanampy azy io. “Mpiaro olona maro” mantsy izy io sady “mpiaro” an’i Paoly koa. (Ro 16:1, 2) Nitondra ny taratasin’i Paoly ho an’ny Romanina angamba i Foiby, na niaraka tamin’izay nitondra izany.

Nilaza i Paoly fa ‘mpanompo [gr.: diakônôs] tao amin’ny fiangonana tany Kenkrea’ i Foiby. Inona àry no dikan’ny hoe diakônôs eto? Misy mpandika teny mihevitra fa milaza andraikitra io teny io, ka nadikany hoe ‘diakona’ na ‘diakôna’ (Prot., DIEM). Raha jerena anefa ny Baiboly, dia tsy natao ho an’ny vehivavy mihitsy ny andraikitry ny mpanampy amin’ny fanompoana eo anivon’ny fiangonana. Ny hevitr’ilay teny grika amin’ny ankapobeny kosa no nampiasain’ny Baibolin’i Darby (frantsay), ka nadikany hoe “mpanompovavy.” Azo inoana fa mahakasika ny fanompoana kristianina, izany hoe ny fitoriana ny vaovao tsara, ilay fanompoana noresahin’i Paoly fa nataon’i Foiby niaraka tamin’ny fiangonan’i Kenkrea.​—Ampit. Asa 2:17, 18.

“Mpiaro olona maro” i Foiby. Mety hidika koa hoe “mpanampy” ilay teny hoe “mpiaro” (prôstatis). Tsy hoe sariaka fotsiny ny olona toy izany fa tena manampy ny sahirana koa. Azo adika koa hoe “mpiahy” io teny grika io. Mety ho nanan-karena sy maty vady i Foiby, matoa afaka nivezivezy sy nanampy be ny fiangonana. Noho izy nanana fahefana teo anivon’ny fiaraha-monina angamba no nahafahany niaro an’ireo Kristianina nendrikendrehina. Mety ho nampiantrano azy ireo koa izy mba hiarovana azy, rehefa nisy loza. Tsy manome tsipiriany anefa ny Baiboly.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara