SAFIRA, I
(Safìra).
1. [avy amin’ny teny aramianina, ary midika hoe “Tsara Tarehy”]. Vadin’i Ananiasy. Nivarotra tany ny Kristianina tao Jerosalema, ka nanome ny vidin’ny taniny mba hanampiana an’ireo nila fanampiana maika, taorian’ny Pentekosta taona 33. Nivarotra tany koa ry Safira mivady, ka mody hoe nanolotra ny vidin’ilay izy manontolo tamin’ny apostoly. Niray tsikombakomba àry izy ireo ka maty.
Nanota izy mivady satria nandainga ka nihambo ho nanome ny vidin-tany manontolo, fa tsy hoe satria tsy nanome an’ilay izy. Naleony noderain’olona toy izay hanome voninahitra an’Andriamanitra sy hanampy ny fiangonany. Notarihin’ny fanahy masina i Petera, ka nampiharihary ny fitak’izy mivady. Hoy izy: “Ry Ananiasy, nahoana i Satana no nanome anao fahasahiana hamitaka ny fanahy masina, ka nohazoninao mangingina ny ampahany tamin’ny vidin’ilay tany? Fony tsy namidy ny tany, tsy anao ihany ve ilay izy? Ary rehefa namidy, tsy mbola anao ihany ve, ka hanaovanao izay sitraponao? Nahoana ianao no nikasa hanao izao zavatra izao tao am-ponao? Tsy olona no nofitahinao, fa Andriamanitra.” Niankarapoka i Ananiasy raha vao nandre izany, ka maty.
Tonga i Safira afaka adiny telo teo ho eo, ary nandainga koa. Nanontany àry i Petera hoe: “Nahoana ianareo mivady no niray tetika hitsapa toetra ny fanahin’i Jehovah?” Niankarapoka koa i Safira ka maty. Anatra ho an’ny Kristianina iny zava-nitranga iny. Lasa raiki-tahotra mafy sy feno fanajana izy ireo, ary niaiky fa mitoetra eo anivon’ny fiangonana tokoa ny fanahin’i Jehovah.—As 4:34, 35; 5:1-11; 1Ko 3:16, 17; Ef 2:22; ampit. 1Ti 1:20.
2. [Mihaja; Mangirana; Mahafinaritra]. Toerana iray tany Joda. Hiharan’ny didim-pitsarana hanjo an’i Joda sy Jerosalema koa ny mponina tao, hoy i Mika. (Mi 1:11) Nanao tsilalaon-teny maromaro izy tao amin’io faminaniana io rehefa nanonona anaran-toerana. (Jereo BETI-HAEZELA.) Misy milaza fa i Kirbet el-Kaom, tokotokony ho 15 km any andrefan’i Hebrona, i Safira.