KALO FAMPITAHORAM-BORONA
Tsato-kazo na antontam-bato miendrika olona matetika, ary natao teny an-tsaha mba hampitahorana vorona na biby hafa. Toy ny “kalo fampitahoram-borona [heb.: tômer] eny amin’ny sahan-kôkômbra” ny sampin’ireo firenena. (Je 10:5) Nadika koa hoe “hazo palmie” ny hoe tômer. (Mpts 4:5) Toy ny kalo tokoa àry ny sampin’ireo firenena satria tsy tena andriamanitra.—Prot., DIEM, JM.