FANOMEZAN-TSINY
Hita ao amin’ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika Kristianina ny hoe “manome tsiny.” Ilay matoanteny hebreo hoe riv no nadika hoe “manome tsiny.” Midika hoe “miady” (mifamely, na mifamaly, na mifampitory) io teny hebreo io. Nadika hoe ‘mifanditra’, ‘miady’, ‘miady eo amin’ny fitsarana’ (Ge 26:20; De 33:7; 1Sa 24:15), ‘manome tsiny’ na ‘manameloka noho ny fahadisoana’ àry izy io.—Ne 5:7; 13:11, 17, 25; Sl 103:9; jereo FIFANDIRANA.
Hita ao amin’ilay teny grika nadika hoe “manome tsiny” ny hoe aitia, izay adika koa hoe “antony” sy hoe ‘iampangana.’ (As 13:28; 25:18; Mt 19:3) Tsy nahita antony nanamelohana an’i Jesosy Kristy i Pilato, rehefa nanadihady azy momba izay niampangan’ny Jiosy azy, ka niteny intelo tamin’ny Jiosy hoe: “Tsy hitako izay fahadisoany.” (Jn 18:38; 19:4, 6) Manana heviny hoe manome tsiny koa ny teny grika hoe memfômai, ary midika hoe “manameloka, miampanga.”—Ro 9:19; He 8:8.
Mba tsy hanomezan-tsiny ny fanompoana. Niezaka mafy ny apostoly Paoly mba hankalaza ny fanompoany, satria nankasitraka sy nihevitra azy io ho tena sarobidy izy. Notandremany tsara àry izay rehetra nataony sy ny fitondran-tenany. Nanoratra toy izao ho an’ny fiangonan’i Korinto izy: “Tsy manao izay hahatafintohina olona mihitsy izahay, mba tsy hanomezan-tsiny ny fanompoanay.” (2Ko 6:3) Nisy olona teo anivon’ny fiangonana tsy nanaiky hoe apostoly i Paoly. Tena nanome tsiny sy nanendrikendrika an’i Paoly izy ireo, mba hanambaniana azy sy tsy haneken’ny hafa hoe apostoly nanana fahefana teo anivon’ny fiangonana izy. Fantatr’i Paoly izany, ary takany koa fa tena ratsy ny hoe omen-tsiny eo amin’ny resa-bola. Nomeny toky àry ny fiangonana fa haniraka an’i Titosy miaraka amin’ny rahalahy iray mendri-pitokisana sy voatendrin’ny fiangonana izy hikarakara ny fanomezana. “Izany no ataonay mba tsy hisy olona hanome tsiny anay ny amin’io fanomezana be dia be tokony hozarainay io.”—2Ko 8:16-21.