Vavolombelona marina toy ny “Tenin’Andriamanitra”
“ARY NY ANARANY atao hoe: Ny Tenin’Andriamanitra”. Tamin’ny fomba mifanaraka amin’izany no nilazan’ny mpanoratra ny Baiboly kristiana, mihoatra noho izay olona hafa, ny momba ny fitsanganana ho vavolombelona raha nanambara an’i Jesosy Kristy tamin’ireo teny ireo izy.—Fanambarana 19:13, MN.
Marina fa Jesosy Kristy amin’ny maha-Teny na Mpitondra Tenin’Andriamanitra azy, dia nampiseho fitondrantena mifanaraka amin’izany fiantsoana azy izany. Notanterahiny ny asa izay nahatongavany tetỳ an-tany: “Izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” Tokony ho enim-polo taona aoriana, tany an-danitra, dia afaka nilaza ny tenany ho toy ny “vavolombelona mahatoky sy marina” izy, ary ny apostoliny Jaona, dia niantso azy hoe: “Ilay vavolombelona mahatoky”, ilay “Mahatoky sy marina”. Ny apostoly Paoly dia nilaza zavatra mitovy amin’izany koa, raha nanoratra, hoe: “Kristy Jesosy, (...) toy ny vavolombelona, ka nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’i Pontio Pilato.”—Jaona 18:37: Fanambarana 3:14; 1:5; 19:11; I Timoty 6:13, MN.a
Izay rehetra nanolotra ny tenany hanao ny sitrapon’i Jehovah Andriamanitra sy hanaraka ny dian’i Jesosy Kristy, ilay Tenin’Andriamanitra, dia tokony ho vavolombelona marina sahala aminy. Tsy hoe afaka manao fahagagana na miaina amin’ny fahatanterahana sahala aminy akory izy ireo. Tsia! Kanefa azon’izy ireo atao ny ho tonga vavolombelona marina araka izay fihezahan’izy ireo, araka izay ananan’ny tsirairay avy.—II Korintiana 8:12, MN.
Anisan’ireo fomba maro izay hahafahan’ ny kristiana hitsangana ho vavolombelona marina, tahaka ny nataon’ny Tenin’Andriamanitra, dia ao ny fanomezana ny voninahitra rehetra ho an’i Jehovah, satria tsy nitady ny hifantohan’ny sain’ny olona ho amin’ny tenany na oviana na oviana, ny Tenin’Andriamanitra: “Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.” “Raha izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona, na inona; araka izay reko no itsarako; (...) fa tsy mitady ny sitrapoko aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka ahy.” Eny, mba hahatonga antsika ho vavolombelona marina tahaka ny Teny, dia tokony ho tandremantsika ny tenintsika tsy hisarika ny sain’ny olona hifantoka amintsika, fa kosa ho amin’i Jehovah Andriamanitra.—Marka 10:18, Jaona 5:30, MN.
Fanampin’izany, dia nohararaotin’ny Tenin’Andriamanitra koa ny fotoana rehetra mba hanomezany fanambarana mikasika ny fahamarinan’i Jehovah, tahaka ny tamin’izy nasain’i Simona Fariseo hisakafo tany aminy ary koa tamin’izy nipetraka teo amin’ny fatsakan’i Sykara. Noho izany, amin’izao fotoana izao, ny atao hoe vavolombelona marina tahaka an’i Jesosy, dia ny mivonona lalandava hampiseho izany, izany hoe: vonona amin’ny fotoana rehetra hanambara ny fahamarinana mikasika an’i Jehovah Andriamanitra.—Lioka 7:36-50; Jaona 4:5-26; II Korintiana 9:7.
Manarak’izany, ny Tenin’Andriamanitra dia tena nifikitra tokoa tamin’ny Soratra Masina rehefa manao fitoriana, nampiasa azy ireo mandrakariva ho toy ny fahefana izy: “Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra.” “Moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon’Andriamanitra taminareo?” “Tsy voasoratra ao amin’ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: andriamanitra hianareo?” Mahafantatra tsara ny Soratra Masina va hianao ary omenao fahefana va izy rehefa mitory hianao, ka tsy ho voatarika hampandefitra azy ary hanome alalana ny fihevitrao na ny fanambarana mahasondriana nataon’olombelona izay tsy tanteraka?—Matio 22:29-32; Jaona 10:34, MN.
Nanome toerana voalohany teo amin’ny fiainany ny zavatra mikasika ny anarana sy ny Fanjakan’ny Rainy, ny Tenin’Andriamanitra, tsy tamin’ny nitoriany ihany hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany”, fa tamin’ny zavatra rehetra nataony koa. Tsy nanangona harena teto amin’izao tontolo izao izy. Nazoto dia nazoto tamin’ny fanompoana ny Rainy izy. Ankehitriny, ny vavolombelona marina izay manana toe-piainana mitovy amin’ny an’ny Tenin’Andriamanitra, dia tsy ny fiahiana ara-nofo momba ny sakafo, ny fitafiana ary ny trano itoerana no hanome fahasahirana betsaka ho azy ireo, ka hahatonga azy hanao tsirambina ny asa fitoriana.—Matio 6:31-33, MN; Jaona 2:17; I Timoty 6:6-8.
Lafiny anankiray hafa koa izay nisehoan’ny Tenin’Andriamanitra ho vavolombelona tokony alain-tahaka, dia ny fifandraisany tamin’ny vahoaka; nangoraka sy tsara fanahy taminy izy, nandefitra, nalemy fanahy ary nahafantatra izay nanjo azy ireo. “Nahonena azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nivenjivenjy toy ny ondry tsy misy mpiandry.” Ary toa inona moa ny fangorahana sy ny fitiavana tamin’ny teny nataony! “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka nianara amiko, fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”—Matio 9:36; 11:28-30, MN.
Indray mandeha, raha vao avy nanao fitorian-teny naharitra sy henjana Jesosy ilay Tenin’Andriamanitra, dia nilaza tamin’ny mpianany Izy hoe: “Avia hianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely.” Kanefa nony fantatry ny Jiosy fa lasa izy, dia nankany amin’io toerana io izy ireo, ka tonga talohan’i Jesosy sy ny mpianany tao. Nony tonga i Jesosy ka nahita ny vahoaka marobe, moa va nandroaka azy ireo izy ka nilaza taminy fa mila fialan-tsasatra? Tsia! Na dia vizana tokoa aza Izy sy ny mpianany, dia “nampianatra azy ireo zavatra maro izy”. Moa va vonona toy izany koa hianao, hametraka ny zavatra ara-panahy alohan’ny fiadanana ara-nofo?—Marka 6:31-34, MN.
Tsy misy isalasalana ny amin’izany, fa betsaka no hangatahina avy amin’ireo izay vavolombelona marina tahaka izay nataon’ny “Tenin’Andriamanitra”. Hihezaka va hianao mba haka tahaka azy mandritry ny volana Jona?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha te-hanadihady izany amin’ny an-tsipiriany, dia jereo “Ny Tilikambo Fiambenana’’ amin’ny teny frantsay tamin’ny 1 Febroary 1963.