Nanao heloka tsy misy famotsorana va hianao?
NY WATCH TOWER SOCIETY dia mahazo taratasy indraindray, avy amin’ny kristiana vita fanoloran-tena, voan’ny hakiviana sy ny fahaverezan-kevitra ary ny fanahiana be. Mihevitra ny tenany ho tafalentika loatra amin’ny honahonan’ny fahaverezana izy noho fahadisoany, ka mahatsiaro ho maloto erỳ, ary manameloka mafy ny tenany. Mangirifiry noho izany eritreri-dratsy izany izy ka mba te-hahalala raha tena tsy misy fanantenana ho azy intsony tokoa. Raha akapoka, dia mihevitra izy fa nahavita heloka tsy misy famotsorana.
Ny Soratra Masina dia mampiseho mazava fa misy tokoa ny heloka tsy misy famotsorana. Hoy Jesosy Kristy indray andro: “Ny karazan-keloka sy ny fitenenan- dratsy an’Andriamanitra, dia ho votsorana amin’ny olona ihany, fa ny fitenenan- dratsy amin’ny fanahy kosa, dia tsy ho votsorana mihitsy.” Niombon-tsaina taminy koa ny mpianatra iray ka nanoratra hoe: “Tsy hay atao ho an’izay efa nohazavaina indray mandeha”, tanteraka, “kanefa lavo, ny mamelona azy indray ho amin’ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’Andriamanitra indray amin’ny hazo izy.” “Raha minia manao heloka isika rehefa nandray ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra ho an’ny ota intsony, fa fiandrasana mahatahotra ny fitsarana sisa.” Eny, sahala amin’ny tenin’ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly, dia “misy heloka mitondra fahafatesana” ka tsy ilàna fivavahana intsony. — Matio 12:31; Hebreo 6:4-6; 10:26, 27; I Jaona 5:16, MN.
Marina fa Andriamanitra irery izay Mpitsara no mahafantatra raha nanao ny heloka tsy misy famotsorana tokoa na tsia ny kristiana anankiray. Kanefa azo heverina ihany angamba fa, ny fanahiana sy ny tebitebin’ilay kristiana noho ny fahadisoany dia efa mampiseho fa tsy nanao ny heloka tsy misy famotsorana izy, indrindra raha, torotoron’alahelo izy ka mivalo amin’ny helony.
Ny fandinihana fohifohy ao amin’ny Soratra Masina, ohatra sasantsasany amin’ izay atao hoe heloka tsy misy famotsorana sy ny heloka hafa nahazoana famelana, no hanazava izany bebe kokoa ka, mety hitondra fampiononana. Ho hita amin’izany ohatra izany fa ny tena zava-dehibe, hahafantarana na hisy famotsorana na tsia amin’ny heloka iray, dia tsy ny soratr’ilay heloka loatra tsy akory fa, ny antony nanaovana azy sy ny toetry ny fo ary ny haben’ny tsi-fiheverana na ny finiavana nanao azy. Miharihary amin’ireny ohatra ireny fa izay minia manao heloka, rehefa nahafantatra ny fahamarinana, dia tsy afaka hanantena famotsoran-keloka. Hahasoa tokoa ny handinihana eto ny tokony hataon’izay lavo tao amin’ny ota, mba hahazoany miarina indray amin’ny ara-panahy ka hahitany ny fifaliana ao amin’i Jehovah.
Tamin’ny andron’i Jesosy, ireo mpitondra fivavahana jiosy izay nanohitra azy, dia nanao heloka tsy misy famotsorana. Ireny mpitondra fivavahana ireny mantsy, dia nahita fa niasa tao amin’i Jesosy ny fanahy masin’Andriamanitra raha nanao soa izy, ka nanao fahagagana maro ho an’ny olona sy ho voninahitr’Andriamanitra; kanefa, noho ny haratsiam-panahiny sy ny fitiavan-tenany, dia sahiny ny nilaza fa avy amin’i Belzeboba, na Satana, Devoly, izany fahefana izany. Noho izany, dia nanao fitenenan-dratsy ny fanahy masin’ Andriamanitra izy ireo, ka nanao heloka tsy misy famotsorana, “na amin’izao fandehan-javatra ankehitriny izao, na amin’ilay ho avy’’. — Matio 12:22-32, MN.
Torak’izany, ny helok’i Jodasy dia tsy misy famotsorana satria fitiavan-tena sy hevitra nokotrehina no nibaiko azy. Eny, ny famadihany ny Mpampianatra azy, dia tsy inona fa fiafaran’ny fitondrantenany tsy mendrika sady feno fihatsarambelatsihy. Mpangalatra izy, ka sahy nanombika vola tao anatin’ny kitapon’ny fikambanana nampitondraina azy. Fony nahita an’i Maria nanosotra menaka saro-bidy an’i Jesosy izy, dia velon-taraina fa, Jesosy nampangina azy. Koa nentin’ny hasosorana sy ny fitiavan-tena Jodasy, dia nakany amin’ireo filoham-pivavahana ary nifanaiky tamin’ ireo hamadika ny Mpampianatra azy amin’ ny sekely volafotsy telo-polo. Tsy mahagaga raha nolazain’i Jesosy fa tsara ho an’i Jodasy ny tsy ary akory, sady nantsoiny tamin’ny anarana hoe: “zanaky ny fandravana” izy. Nony hitan’i Jodasy ny vokatry ny nataony, dia nanenina tokoa izy, kanefa tsy mba nahay nanarin-tena ho amin’ny fibebahana satria nanaraka hatrany ny lalan’ny fitiavan-tena, sady ninia hamadika ny Tompony amin’ny hevitra voavolavola mialoha. — Matio 26:6-16; Marka 14:21; Jaona 12:1-8; 17:12, MN.
Ny heloka tsy misy famotsorana toy izany, dia tena mifanohitra mihitsy amin’ ireo izay nomen’Andriamanitra famotsorana na famelana. Ny heloka bevava nataon’i Davida kosa, dia novotsorana. Kanefa aoka tsy ho adinontsika, fa tsy afa-maina akory izy, na dia noho ny nanompoany an’Andriamanitra nandritry ny taona maro tamin’ny fahatokiana sy ny fanenany marina, ary ny fanekena efa nataon’Andriamanitra taminy aza. Noho izany antony izany koa, no namotsorana ny helok’i Petera tamin’ny nandavany ny Mpampianatra azy. Tsy mba tahaka an’i Jodasy io apostoly io, fa tsy nety ketraka tokoa nankatò an’i Jesosy; ny helony dia noho ny fahalemen’ny nofo, ary noho izany no nanekena ny fivalozany ka namotsorana azy koa. — II Samoela 12:7-14; Salamo 51:3-21; Matio 19:27; 26:69-75.
VAVAKA ATAO AHAZOANA FAMOTSORANA
Hita amin’ireo ohatra notonotononina teo ireo, fa misy heloka novotsoran’Andriamanitra sy heloka hafa tsy novotsorana ka mamela ny kristiana, tena manenina tokoa noho ny fahadisoany, hanatona an’Andriamanitra hangataka famelana na famotsorana Aminy amin’ny vavaka feno fahatokiana. Antony maro mafy orina, mifanaraka amin’ny Baiboly no azony iankinana amin’izany.
Koa azony atao ny mangataka famotsorana tahaka an’i Davida, noho ny ota nolovàna: “Indro (...) tamin’ny fahotana no notorontoronina ahy ny reniko.” Azony atao koa ny mampahatsiahy ny fanompoana vitany tamim-pahatokiana, teo aloha, ka hangataka ny famindrampon’Andriamanitra: “Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra sy mamindra fo.” Azony atao koa ny mangataka famelana amin’ny fiantsoana ny anaran’Andriamanitra: “Noho ny anaranao, Jehovah ô! dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.” Inty koa misy vavak’i Davida iray, mifanakaiky indrindra amin’ilay teo: “Vonjeo ho afaka amin’ny valin-dra aho, Andriamanitra ô (...) fa hihoby ny fahamarinanao ny vavako.” Ny fanatitra fanavotana nomen’i Jesosy no tena hiankinan’ny kristiana izay mitalaho famotsorana amin’Andriamanitra: “Amin’ny alalany no ahazoantsika fanafahana avy amin’ny avotra noho ny rany, eny, ny famotsorana ny fahadisoantsika koa aza.” — Salamo 51:7; Nehemia 9:17, Sg; Salamo 25:11; 51:16, AC; Efesiana 1:7, MN.
Raha misy kristiana izay nanota, kanefa mahatsiaro tena ho kely hery tsy afaka hivavaka, satria efa narary ara-panahy izy noho ny fahadisoany, inona kosa no tokony hataony? “Aoka izy hiantso eo aminy, ireo zoki-olom-pikambanana, ary aoka ireo hivavaka eo aminy sady hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’i Jehovah. Ary ny fivavahan’ny finoana hanome hery ilay tsy salama, ary Jehovah hanarina azy. Afa-tsy izany, raha nanao heloka izy, dia ho votsorana aminy.” — Jakoba 5:14, 15, MN.
Ary na dia heloka bevava mendrika ny fanonganana aza, tsy mbola azo atao hoe: tsy misy famotsorana tsy akory. Kanefa, izay te-hahazo famotsorana avy amin’Andriamanitra, dia tsy maintsy manaraka fitsipika sady miaiky ny helony amin’ireo izay miandraikitra ny fikambanana misy azy ka, manaiky tanteraka ny famaizana omeny. Hampisehoana fa mbola azo votsorana ny heloka toy izany, dia hoy Paoly momba ny kristiana iray izay nanota: “Ampy ho an’izany olona izany ny tsi-fankasitrahana nasehon’ny betsaka taminy, hany ka tokony hamela heloka azy am-pitiavana hianareo ankehitriny ka hampionona azy, mba tsy hilentika lalina izy noho ny alahelo be loatra.” — II Korintiana 2:6-8, MN.
Matetika ny fahosan’ny nofo izay mety ho avy amin’ny fieritreretana mora tohina loatra no mahatonga izany tahotra sao nanao heloka tsy misy famotsorana izany. Noho izany, aza omena lalana mihitsy ny Devoly hanakivy anao tsy ho afa-mihezaka intsony hanompo an’Andriamanitra sy hanao izay tsara, noho ny fiheveranao ny tenanao ho nanao heloka tsy misy famotsorana. Ny lalan’Andriamanitra mantsy, tsy marina fotsiny ihany fa, marina sy hendry koa ary indrindra, lalam-pitiavana. Raha tsy sitrak’Andriamanitra akory ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, dia azo antoka fa tsy fifaliana ho Azy velively koa ny hahavery ny mpanompony iray. Koa aza mitsahatra mivelona amin’ny sakafom-panahy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, indrindra amin’ny famakiana teny mampahery toy ny Salamo faha-103; tadiavo lalandava ny fiarahana amin’ireo rahalahinao samy kristina ary mandraisa anjara amin’ny asan’ Andriamanitra, arak’izay mety ho vitanao. Ny fanaovana toy izany no hanome tanjaka anao ao amin’ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana sady hanafaka anao amin’izay rehetra mety ho fahatahorana ho nanao heloka tsy misy famotsorana. — I Korintiana 13:13, MN.